Tafika Malagasy: Manamboninahitra iray iharan’ny « affectation disciplinaire » sy « sanction administrative »

  • mardi, 10 septembre 2019 16:01

Nitondra fitaovam-panjakana tamin'ny filàny manokana no nandraisan’ny teo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena fepetra avy hatrany an’ity miaramila manamboninahitra ity, ka nafindra toeram-piasana any Atsimo, ary arahina fepetra famaizana (affectation disciplinaire ainsi qu'une sanction administrative).

Noraisina izao fepetra izao, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny Tafika Malagasy, mba tsy hisian'ny fihoaram-pefy amin'ny endriny maro samihafa, izay mety ataon'ny miaramila mandritra ny fanatanterahany ny asany, ary ihany koa ahalalan'ny Vahoaka fa manaja ny lalàna ny Tafika Malagasy.

Miteraka adihevitra hatrany moa itony karazana sazy famindran-toerana, na affectation disciplinaire itony, satria izay fakon'olona manao adalana rehetra ve dia alefa any amin'ny faritra efa sahirana sy saro-dalana. Anga toera-mpamonjana, na toeran'olom-boasazy ireny toerana ireny? Tsy ny famaizana sy ny fanonerana ny nalainy tsy ara-drariny ve no mila jerena, eny na miafara amin'ny fandroahana mihitsy aza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.