Tsaraitso – Betroka: Dahalo iray maty voatifitry ny tompon’omby, iray hafa naratra

  • lundi, 12 août 2019 16:54
  • Sary ZP

Nitrangana fanafihan-dahalo tao an-tanan'i Besakoa, Fokontany Analasoa, Kaominina Tsaraitso, Disitrikan'i Betroka ny 08 aogositra 2019. Toerana somary atsinanana tsy lavitra ny tampon-tanànan'i Betroka izy ity, ary nahazo fandrahonana misesy ataon'ireo dahalo.

Niaro tena ny Fokonolona, ka notsenain'ny balan'ny tompon'omby teo amin’ny fony ilay dahalo voalohany namoha valan'omby ka maty tsy tra-drano. Nisy dahalo iray hafa ihany koa voatifitra saingy nentin’ireo efa-dahy namany nandositra.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.