Betroka: Fikasàna haka an-keriny, 3 lahy voasambotry ny Zandary

  • mercredi, 07 août 2019 13:31
  • Sary ZP

Nikasa haka an-keriny an'ny filohan'ny Fokontanin'i Maroraza, Kaominina Tsaraitso, Distrikan’i Betroka izy ireo ny 2 aogositra 2019 teo. Tsikaritry ny Fokonolona tao an-toerana ny fihetsik’izy ireo toa hafahafa ka niroso tamin'ny fisamboran'azy telo avy hatrany ny mpiray dinan'ny Mangoky sy Zandary Betroka.

Mbola tanora erotrerony avokoa izy telo lahy, ary anisan'ireo jiolahy ikoizana aty amin'ny Distrikan’i Betroka. Notazomina atao famotorana ao amin'ny Tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Betroka izy ireo, ary hatolotra ny Fampanoavana avy hatrany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.