Seranam-piaramanidina Antalaha: Samy manao izay tiany atao na ny mpandeha na ny mpitatitra

  • mardi, 06 août 2019 10:40

Fiaramanidina iray no nofaina mpandraharaha lavanila iray eto Antalaha, sady hitaterana lavanila, no hitondrana ny vola. Mazava ny fifanarahana ara-barotra amin'ity mpandraharaha ity sy ny kaompania mpitatitra tompon'ny fiaramanidina, fa entan'ilay nanao fifanarahana ihany no azo taterina fa tsy afaka mampanofa, na maka entan'olon-kafa taterina ka hakana tombony.

Ny zava-misy anefa, dia lasa fitaterana entana sy olona ny fiaramanidina, mampitohy an'ny Mananara sy Antalaha. Ny zava-doza anefa dia taingimbe ny fiaramanidina, ary tsy misy seza, satria mitatitra lavila mandroso, ary miverina itondrana olona. Raha 8 no tokony mpandeha azon'ny fiaramanidina entina, dia misy 12 sady tsy misy seza ireo mpandeha miondrana ao anatiny.

Ny Tarmac, izay toerana saro-pady dia na ny fiara, na ny olona dia mifanaretsaka eny avokoa.

Manao ny ataony ity mpandraharaha ity, ka na ny mpiasa eo anivon'ny seranam-piaramanidina aza tsy misy mahateny azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.