Toamasina: Voasambotra ireo mpanafika ny fiaran’ny orinasa Ambatovy

  • vendredi, 02 août 2019 09:13
  • Sary: ZP

Efa-dahy no ahiahiana fa nahavanon-doza nanafika ny fiaran’ny orinasa Ambatovy tany Tanandava-Toamasina ny faran'ny volana jolay, ary nosamborina.

Nosakanan’izy ireo tamin’ny vato sy vatan-kazo ny fiara 4x4 iray nitondra mpiasa 5. Rehefa nijanona ilay fiara dia notsenain'ireo olon-dratsy tamin'ny toraka vato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, tsy nisy fananana voaroba na aina nafoy ankoatrizay.

Noho ny loharanom-baovao azon'ny Vondron-tobim-pileovana Zandarimaria Antsinanana aty Toamasina dia voasambotra ny efa-dahy nandray anjara mivantana tamin'io asa ratsy io ny alarobia 31 jolay 2019, niaraka tamin'ireo fitaovana nampiasain'izy ireo.

Atolotra ny Fitsarana anio izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.