Hervé Renard: Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenen’i Maroc

  • lundi, 22 juillet 2019 08:56
  • Sary nindramina

Ny alahady, 21 jolay, i Hervé Renard no nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy Twitter ny fanapahan-keviny tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenen’i Maroc intsony. Telo taona sy tapany no nitantanany ity ekipa ity.

Efa talohan’iny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra (CAN) andiany faha-32 natao tany Egypta, ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019 iny no nandraisany ny fanapahan-kevitra, araka ny filazany, fa omaly vao nampahafantariny.

Hervé Renard no nitarika ny ekipan’i Maroc tamin’io, ary resin’i Bénin teo amin’ny ampahavalon-dalana.

Hervé Renard, 50 taona, no mpanazatra nandrombaka in-droa io Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra io, tamin’ny ekipam-pirenena roa samihafa dia, i Zambia tamin’ny 2012 ary Côte d'Ivoire tamin’ny 2015.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.