Anjanapaly - Antsohihy: Rongony 52 gony no sarona

  • dimanche, 21 juillet 2019 13:58
  • Sary: ZP

Sarona nandritra ny fisafoana nataon’ny Zandary tao Anjanapaly, Fokontany Ankazobetsihay, Kaominina Ampandriankilandy, Distrika Antsohihy, ny alin'ny 18 jolay 2019, ireo andiana lehilahy maromaro milanja gony mampiahiahy.

Nandositra avy hatrany izy ireo rehefa nosakanana mba ho savaina. Raikitra ny fifanenjehana ka jiolahy roa efa fantatra fa mpanao aferan-drongony no voasambotra.

Nosavaina ireo gony miisa 52, ary hita fa rongony maherivaika no tao milanja 532 kg.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.