Befotaka Ankavandra: Zandary iray narary mafy, navotana tamin’ny angidimby

  • samedi, 20 juillet 2019 22:17
  • Sary: ZP

Narary samirery tao an-tranony ny Zandary iray, mitondra galona kilasy faharoa, miasa ao amin’ny « Poste Avancé » Befotaka, Brigady Itondy ny alin’ny 19 jolay 2019. Mahery vaika ny aretina nahazo ary tena nalaky nandreraka azy.

Vao nahita azy ireo namany sy ny Fokonolona teo an-toerana dia nandray andraikitra ka nilanja azy avy hatrany niazo an’Ankavandra, Distrika Miandrivazo, hamonjy tobim-pahasalamana. Naharitra 5 ora ny lalana.

Tsy vita tao Ankavandra ny fitsaboana, ka voatery nakarina aty Antananarivo haingana tamin’ny alalan’ny angidimby izay nalefan’ny fitondram-panjakana haka azy ilay Zandary.

Nigadona teto Antananarivo androany sabotsy 20 jolay ilay angidimby naka azy. Tsaboina ao aminin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana ilay Zandary amin’izao fotoana izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.