Hafa kely: Nivoaka ny efitrano izy hiteraka, niverina afaka ora iray nanohy ny fanadinana

  • vendredi, 19 juillet 2019 21:46
  • Sary nindramina

Tany amin’ny lisea iray, 250 km atsinanan’i Conakry, renivohitr’i Guinée no niseho ity tranga hafakely ity ny talata teo. Tovovavy gineana iray, 18 taona, no nihetsi-jaza tampoka teo ampiatrehana ny taranja fizika hahazoana diplaoma bakalôrea. Nivoaka efitrano tokoa izy, ary teraka lahikely. Ora iray taorian’ny niterahany, niverina tao anaty efitranon-tsekoly ilay reny tanora nanohy ny fanadinany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.