Moramanga: Lanonana famoahana ofisialy ny andiany miisa telo avy ao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena

  • vendredi, 12 juillet 2019 22:41
  • Sary nomena

Zandary miisa 154 no navoaka ofisialy androany tao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, rehefa niofana nandritra ny volana vitsivitsy.

Mitsinjara ho andiany telo izy ireo, dia ny andiany faha-24 nanaraka ny « Cours supérieurs de commandement », ny andiany faha-43 avy amin’ny « Cours d’Application des Officiers » ary ny andiany faha-57 nanaraka ny « Cours de Brevet professionnel de premier degré ».

Nanome voninahitra ny lanonana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Nanao antso avo ho an’ny Foloalindahy, ny Zandary ary ny Polisim-pirenena, ny Lehiben’ny governemanta, ny hamerenana indray ny hasin’ny firenena mba ho tena firenena mandàla ny fahamarinana.

« Manainga antsika rehetra ny tenako eo amin’ny fanatanterahana ny asa izay miandry antsika, amin’ny adidy horaisintsika mba tena hijoro hatrany amin’ny marina, amin’ny hitsiny, amin’ny rariny. Izany no andrasan’ny vahoaka Malagasy amintsika, izany no andrasan’ny firenena amintsika » hoy hatrany ny Praiminisitra.

Nanotrona ny lanonana ny fianakaviam-ben’ny Zandarimariam-pirenena notarihin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjankana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary olo-manankaja maro, sivily sy miaramila.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.