Amoron’Akona: Misy fanorenana toby famatsian-drano vaovao

  • mercredi, 10 juillet 2019 19:14
  • Sary nomena

Hamatsy an’ireo faritra tsy ampy rano eny Ambohimangakely ity toby famatsian-drano madio aorina eny Amoron’Akona, manamorona ny lalana « By-Pass » ity, ary vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana aogositra 2019 ny asa rehetra.

Tonga amin’ny fetra fahafahana mamatsy rano ny Jirama, izay niteraka olana ara-pamatsiana amina faritra maromaro eto amin’ny tananan’Antananarivo. Nampihatra tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny fahamehana, hanampiana amin’ny famatsian-drano, ny governemanta, ka io no heverina hamahana ny olana ao anatin’ny fotoana fohy.

Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana teny an-toerana, androany maraina, ny Sekretera Jeneralin’ny governemanta, Razanadrainiarison Rondro Lucette ; asa izay tanterahina eo ambany fiahian’ny ministera misahana ny rano, ary iarahana miasa amin’ny orinasa Jirama.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.