Antohomadinika: Noraisim-potsiny ireo mpanendaka

  • mercredi, 26 juin 2019 18:23
  • Sary nomena

Ravan'ny ny Polisin'Antaniavo Antohomadinika PPA4-Antananarivo, omaly maraina, ireo andian-jatovo mpanendaka teo amin'ny "Arrêt bus" Mahitsy eo Antohomadinika.

Nanararaotra ny fahamaroan'ny olona izy ireo satria maro ireo olona nandeha Taxi-brousse avy any Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo, niakatra hiantsena hiatrehana ny fetim-pirenena. Nendahan'ireo ny mpandeha, ka lasan'izy ireo ny sakaosy nisy vola sy akanjo ary kojakoja.

Niantso vonjy ilay tompony. Nifanenjehan'ny Polisy, izay miasa tsy manao fanamiana fa mitsikilo ny tranga toy izao, ireo mpanendaka. Tratra ambodiomby ny telo, ary ny telo hafa efa tafatsoaka lavitra saingy tratra ihany.

Hiakatra Fampanoavana izy ireo rahampitso 27 jona 2019. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.