Filaminana sy ny fandriampahalemanana: Nisy Atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana

  • mardi, 25 juin 2019 20:29
  • Sary nomena

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana, ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara, teny Mahazoarivo ny 24 Jona 2019, ny Komity mpitantana izany, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy Ramatoa Violette Kakyomya, solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara.

Mpikambana maromaro eo amin’ny governemanta no nanatrika izany atrikasa izany ; tao ihany koa ny solontena avy amin’ny andrim-panjakana toy ny “Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité”, ny Bianco, ny SAMIFIN, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara.

Aorian’izao atrikasa izao dia hisy ny rindran-teny horaiketina an-tsoratra, hiomanana amin’ny mety hahazoana famatsiana ho an’ireo tetikasa voakasiky ny andiany faharoa.

Nampahatsiahy ny Praiminisitra fa nanomboka ny taona 2016 ary hatramin’ity taona 2019 ity dia efa nisitraka io famatsiana io, izay mitenina 11.5 tapitrisa dolara Amerikana isika eto Madagasikara.

Nandritra ny fivoriana omaly dia nanao tombana tamin’ny vokatra azo ny komity mpitantana, ary nandray anatra tao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa. Anisan’izany ohatra “ny ezaka maro vita, mahakasika ny faritra atsimon’ny Nosy, ankoatra ny fanamafisana ireo rantsana miady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola, toy ny Bianco sy ny SAMIFIN”, hoy ihany izy.

Heverin’ny komity mpitantana ankehitriny fa tokony hirosoana ny fijerena hatrany amin’ny fakany an’ireo zavatra manohintohina ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto Madagasikara, ary indrindra, hijery manokana ny mikasika ireo tanora, mba hahafantarana ny fomba hitantanana azy ireo tsy hivari-lavo.

Nanamarika ny Praminisitra fa tena zava-dehibe nodinihina tao anatin’ny atrikasa io resaka tanora io, satria toe-draharaha izay mety hiafara amin’ny fanjakan’ny tsy fandriampahalemana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.