Fandriam-pahalemana: Miandrandra fampitaovana ireo Polisy miasa any amin'ny faritra mena

  • lundi, 24 juin 2019 20:48

Fiaramanidina, helikoptera, fiara tsy laitram-bala, fiara tsy mataho-dalana ; nahazo fampitaovana maro hanamorana ny asany ny Foloalindahy amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin'ny Foloalindahy Malagasy izao.

Nahazo fiara 4x4 miisa 26 ihany koa ny Polisim-pirenena. Miandrandra fampitaovana ireo miasa amin'ireo Faritra mena amin'ny asan-jiolahy.

Manantena ihany koa ny Vahoaka fa hipaka amin'ny fiainam-bahoaka hampandry fahalemana ny tany ny fahazoan'ny mpitandro ny filaminana fitaovana maro, nanaovana laharam-pahamehana tamin'ny fandaniam-bola ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.