Antanety-Mandaniresaka: Nahitana fatin-jazakely vao teraka

  • vendredi, 21 juin 2019 22:40
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Androany maraina no nahitan'ny olona azy teny amin'ny fokontany Antanety-Mandaniresaka Antsirabe.

Raha ny fanazavan'ny mpitsabo teo anivon'ny BMH dia ahiana ho zaza niniana ho nariana ity zaza ity satria efa tena hary tanteraka saingy mety noho ny fasahiranana no nanarian'ny reniny azy.

Nananosarotra teo ampiterahana ihany ity zaza ity satria nahitana fahamanganana ny tanany havia, izay nambaran'ireo nahita izany fa mety nosintonina avy tany ambohoka ilay zazakely.

Nambaran'ny mpitsabo fa mety nariana ity zaza ity ary noheveriny fa mety rehefa hitan'ny olona dia hisy haka izany saingy tsy izay no nitranga ka matin'ny hatsiaka ilay zazakely.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.