Brevet frantsay: Zazalahy teratany koreana, maty nandritra ny fanadinana

  • vendredi, 21 juin 2019 18:22
  • Sary nindramina

Ny andro faharoa sady farany amin'ny fanadinana, ny talata 18 jona lasa teo, no niseho ny loza teny Ambatobe-Antananarivo. Nitolefika tampoka teo an-tokontany ilay zazalahy, 13 taona eo, talohan'ny fidirana maraina. Nifamonjen’izay nahita teo.

Nisy ireo ray aman-dreny nanatitra mpianatra hanala fanadinana, fa tsy mahafantatra ny toerana satria tsy sekoly fianaran-janany fa ivon-toeram-panadinana fotsiny ihany, ka niodikodina nitady ny infirmerie.

Nantsoina ny tao amin'ny infirmerie, izay anisan'ny raitra, mbola niandry ireo mpianatra hidina ny tohatra amonjy ny efitra fanadinana anefa izy, ka tsy avy dia tafakatra amonjy ilay zaza efa safotra.

Ny ray aman-dreny teo efa niezaka namelona an'ilay zaza ihany.

Tonga teo ny tompon'andraikitra fa tsy nitondra fitaovana fitsapana na fameloman'aina. Tsy nanao ny famonjena voalohany vonjimaika, fa avy dia nitondra filanjana ny mpiasa mpiambina sasany.

Tsy noentina tao amin'ny infirmerie, fa nentina niakatra hitady fiara hitondrana azy any amin'ny hopitaly. Nitohana tanteraka anefa ny lalana noho ireo fiara avy nanatitra mpianatra, ka ela vao nahita fiara hitondra ilay zaza any amin'ny hopitaly Polyclinique Ilafy, saingy teny an-dalana dia tapitra ny ainy.

Misy toeram-pitsaboana anisan'ny raitra ilay sekoly analan'ity zazalahy ity fanadinana raha misy hamehana.

Tohina tanteraka ireo mpianatra nanala fanadinana rehefa nolazain'ny surveillant manta be ny hoe maty ilay zazalahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.