Fetim-pirenena: Polisy miisa 1025 no hahetsika isan’andro eto Antananarivo

  • vendredi, 21 juin 2019 17:00
  • Sary: Polisim-pirenena

Mivonona ny amin’ny fiarovana ankapobeany sy ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, araka ny fanambarana nataony ny alakamisy 20 jona.

Ankoatra ny asa sy ny iraka ankapobeny fanaon’ny Polisy isan’andro ary ny fandraisana anjara amin’ny matso lehibe ny andron’ny 26 jona dia Polisy miisa 1025 no voalaza fa hahetsika isan’andro eto Antananarivo manomboka ny zoma 21 jona mba hahafahan’ny vahoaka mifety am-pilaminana.

Hisy ny fepetra manokana ho raisina ho fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny filaminana manodidina ny farihinan’Anosy sy manerana ireo toerana avo eto an-drenivohitra ny harivan’ny 25 jona izay hisian’ny afomanga.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.