Toamasina: Rongony 55kg saron'ny Polisy

  • mardi, 11 juin 2019 21:08
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Natao tao anaty valizy maromaro ireo rongony 55kg ireo ary notaterina tuc-tuc no saron'ny Polisy teo Ankirihiry Bazary, ny alin'ny 6 jona teo.

Avy nalaina tao amin'ny "Gare Routière" ilay rongony ary nokasaina haterina tany amina mpamongady rongony iray ao Andranomadio no tra-tehaka.

Tovolahy iray, 19 taona, no tratra niaraka tamin'ity rongony ity, tratra ihany koa ilay mpamily tuc-tuc nanaiky nitondra izany tamin'io alin'ny 06 jona io.

Mbola karohina kosa ilay mpamongady rongony tompony.
Tsy fantatra ny tena fiavian'ny rongony.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.