Andry Rajoelina: Niazo an’i Genève misy ny foiben’ny OIT

  • lundi, 10 juin 2019 21:21
  • Sary nindramina

Mankalaza ny faha-100 taonany ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa. Mandavantaona ny fankalazana, nanomboka tamin’ny 22 janoary 2019 ary hitohy hatramin’ny 31 desambra 2019.

Hanamarika ity faha-100 taonan’ny OIT ity ny fanambarana ofisialy hatao amin’ny alarobia 12 jona izao, fa hatokana ho “Andro manerantany iadiana amin’ny fampiasana ny ankizy” ny 12 jona isan-taona.

Hiatrika io fotoana io ny filoha Andry Rajoelina. Niala an-tanindrazana ny alin’ny Pantekôty, alahady 9 jona, izy niazo an’i Genève Soisa, misy ny foiben’ny OIT. Tafaraka sidina taminy i mompera Pedro Opeka, ity farany izay nitsodrano ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra na Barea nandritra ny fanazarantena nataon’izy ireo teny amin’ny kianja Saint Pierre – Akamasoa, Andralanitra Antananarivo ny tolakandron’ny Pantekôty, izay hiatrika ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika hatao any Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019.

Raha ny tatitra farany nataon’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa, dia zaza iray amin’ny enina, eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 17 taona, tombanana ho 246 tapitrisa no miasa ary ny 179 tapitrisa amin’ireo manao asa mampidi-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.