Fandrobana banky BGFI Toamasina: Maty voatifitry ny Zandary ny jiolahy roa

  • vendredi, 31 mai 2019 22:34
  • Sary ZP

Nahazo vaovao tamin'ny olona tsara sitrapo ny Zandary fa misy olona mampiahiahy mitondra vola be miriorio tao Ambohitaloha, tanàna any amin'ny 25km miala an'i Toamasina.

Nidina tany ny Zandary ary voamarina fa ireo jiolahy isany nanafika ny banky BGFI Toamasina tamin'ny febroary 2019 ireto. Nisy ny fifandonana, ny alin'ny alakamisy 30 mey 2019 ka tamin'izay no nahalavo ny roa tamin'ireo jiolahy.

Tratra tamin'izy ireo ny vola halatra sy fitaovam-piadiana maro mbola nampiasainy, toy ny basy poleta izay basy halatra, araka ny fanazavan'ny kolonely Ranaivoson Théodule,
komandin'ny Vondrotobim-pileovanan'ny Zandarimariam-pirenena Antsinanana.

Mbola misy jiolahy telo naman'izy ireo karohina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.