Ampitatafika-Antanifotsy: Faty telo noloarana avy ao anaty rano

  • vendredi, 31 mai 2019 16:41
  • Sary nindramina

Lehilahy avokoa ireo faty telo. Ny nanaitra dia samy mifatotra ny tongotr’izy ireo tsirairay avy, ary samy nahitana diana fatotra ny tenda.

Tao amin’ny reniranon’i Onive, mandalo eto Ampitatafika, Distrikan’Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra no nahitana ny faty androany maraina.

Nakarina an-tanety ary naterina tao amin’ny tranompatin’ny hopitalin’Antanifotsy ny razana miandry ny havany.

Mandeha any amin’ny vono olona niniana natao ny ahiahy. Misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny antony sy hikarohana izay tompon’antoka tamin’izao vono olona izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.