Ambarijeby Sud: Tonga maro hihaino an'i Soafilira Princia zanak'Analalava

  • lundi, 13 mai 2019 21:04
  • Sary nomena

Vory marobe ny mponin'Ambarijeby Sud, Distrikan'Analalava andeha hihaino, ankahery ary hanohana an'ity zanaka vavin'Analalava ity.

Namafisin'i Princia Soafilira, Kandida ho solombavambahoaka eto Analalava, nilatsaka amin'ny anaran'i Malagasy Tia Tanindrazana (MATITA), mitondra ny laharana faha 06 amin'ny bileta tokana, fa ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny fambolena, sy fiompiana, ny jono no laharam-pahamehana iadiany ho an'ny faritra Analalava.

Maro atsika viavy hoy izy no manana fiainana tsy zarizary, tsy nandeha nianatra, tsy manana asa. Ka hijoro zaho hoy izy hametraka ny toeran'ny viavy hanana ny hasiny.

Ny fiarahantsika jiaby mampandroso faritra misy antsika ity hoy i Princia Soafilira no lalana tokana handresentsika ny fahantrana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.