KMF/CNOE: Miantso ny rehetra hanaja lalàna

  • jeudi, 09 mai 2019 16:28

Manentana ireo tompon’andraikitra tsy hisalasala handray ny andraikitra tandrify azy ny KMF/CNOE -Fanabeazana Olompirenena manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahaoka izao, indrindra mikasika ny fametahana ireo peta-drindrina eny rehetra eny.

Manainga ireo kandidà sy ireo mpiara-dia aminy ny KMF/CNOE mba hanàja ny lalàna mikasika ny fametahana ireo peta-drindrina. Eo koa ny fanajàna ny lalàna mikasika ireo hevitra voizina manditra ny fampielezan-kevitra, mba tsy hivoy fifampihantsiana na fifanaratsiana amin’ireo kandidà mpifaninana hafa. Izany, hoy ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena, dia ho fitsinjovana ny filaminana sy ny fitoniana mandritra ny fampielezan-kevitra.

Mampahatsiahy ihany koa ny KMF/CNOE fa voararan’ny lalàna ny fiandanian’ny mpiasam-panjakana sy ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra.

Manainga ireo tompon’andraikitra mahefa, ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena, ny amin’ny fandraisana ireo fepetra raha toa ka misy endrika tsy fanarahan-dalàna, sy ny olompirenena rehetra mba hanaraka sy handanjalanja tsara ireo hevitra izay voizin’ireo kandidà rehetra mandritra ny fampielezan-kevitra. Ny tanjona, hoy izy ireo, dia safidy tompon’andraikitra ary voahevitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.