CCI Ivato: Nivoaka ny andiana mpitsara "Andrarangy"

  • samedi, 20 avril 2019 14:36
  • Sary nomena

Notanterahina ny zoma 19 aprily teny amin'ny CCI Ivato ny lanonana namoahana sy nanolorana mari-pahaizana ny andiany "Andrarangy", izay nanaraka ny lalam-piofanana ho mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin'ny olon-tsotra, ny ady ifanaovana amin'ny fanjakana ary ny fitantanam-bola, teo anivon'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha, na ENMG.

Nanotrona ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian.

Nanafatrafatra ireto andiany ireto ny Praiminisitra ny amin'ny tokony hametrahana ny fanovàna mba hisian'ny demokrasia tena izy, ny fitondrana tsara tantana ary ny firenena tan-dalàna, ho famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto anivon'ny firenena, ao anatin'ny fotoana fohy.

Mila mpitsara manam-pahaizana, mpitsara marina, ary vonona hanao ny asany ao anatin'ny fahitsiana, ny fahendrena, ary ny fahamendrehana, ny firenena, satria misy fotoana ny olom-pirenena mametra-panontaniana hoe aiza ho aiza tokoa ny fisian'izany fitsarana tsy mitanila izany, fitsarana tena hiaro ny marefo, hoy hatrany ny Praiminisitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.