Toamasina: Jiolahy mpamaky banky noraisim-potsiny teo ampanokoana sikidy

  • vendredi, 19 avril 2019 22:40
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Tratra teto Toamasina ireo 05 lahy isany namaky ny banky BGFI teto an-toerana ny volana febroary andro alahady.

Nikasa ny hamaky banky hafa izy ireo tamin'ity faran'ny herinandron'ny Paska ity no izao tra-tehaka izao. Saika natao ny alarobia teo izany fanafihana izany saingy nilaza ilay mpanao sikidin'izy ireo fa ny faran'ny herinandro no mety hanaovana izany hoy ny "masina" kinanjo izao tratra izao.

Avy any Mahanoro ilay mpisikidy izay tratra ihany koa, satria teo am-panaovina sikidy mihitsy izy ireo no noraisim-potsiny ny alakamisy atoandro teo, tao Tanambao V.

Fehezam-bola 100 Ariary sy 200 Ariary sisa ambin'ny vola nangalarin'ireo jiolahy tao amin'ny BGFI Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.