Toamasina: Raim-pianakaviana maty notifirin'ny jiolahy

  • vendredi, 19 avril 2019 22:38
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Raim-pianakaviana iray, 42 taona, manan-janaka vavy 03, maty voatifitry ny jiolahy tao amin'ny Cité Nouvelle Ville ny alakamisy alina tokony tamin'ny 09 ora sy sasany.

Nihanika tamboho ireo andian-jiolahy am-polony nanafika tokantrano. Nitondra basy PA sy antsy be ary antsy fohy izy ireo, nisy ny nisaron-tava, tao ny tsy nanao. Lasa avokoa ny vola sy ny volamena ary ny peratra mariazy.

Nitifitra in-droa ireo jiolahy ka nahafaty ilay raim-pianakaviana, na nentina notsaboina aza ny tenany, satria niandry ireo jiolahy lasa vao nitondra azy tany amin'ny hopitaly ny fianankaviany.

Mpitatitra entana ity rangahy maty voafitifitra ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.