Antsirabe: Niofana ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany

  • vendredi, 19 avril 2019 19:02
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Notontosaina teto Antsirabe nandritra ny telo andro, ny 16 aprily ka hatramin’ny 18 aprily 2019, ny fanofanana ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany eto Vakinankaratra ka nandraisan’ireo orinasa maromaro teto Antsirabe.

Tanjona dia ny ahafahan’ireo mpandraharaha sy orinasa ireo mandrafitra vina na “business plan” ho an’ny 5 ka hatramin’ny 10 taona eo ho eo, ka ahafahany mampivoatra ny orinasany sy hananany fijery vaovao ho an’ny famokarany.

Tsy hijanona eo moa ity fiofanana ity fa hitohy amina resaka fanatsarana ny vokatra na tolotra ho an’ny orinasa amina resaka kalitao izany ny voalohandohan’ny volana mey izao indray no hitohizan’izany eto Antsirabe ihany.

Ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), tamin’ny alalan’ny tetikasa PROCOM, izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, no nanatontosa ity fanofanana ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.