Sambava: Teraka ny savorovoro noho fanesorana sy fanendrena sefo Fokontany

  • jeudi, 18 avril 2019 12:05
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voatery nanao fifidianana tsy ara-potoana ireo mponina tao amin'ny Fokontany Antsahorana rehefa nitaraina fa tsy sitrak'izy ireo intsony ny mbola hitondran’ny lehibeny Fokontany, ka nangataka fanavaozana izany.

Nahazo isam-bato betsaka indridra tamin'ny 13 rartsa 2019 Atoa Robaina Jean Louis, ary nahazo fankatoavana ny 01 aprily avy tamin'ny District, izay nosiniavin'i Prefen’i Sambava Bemananjara Boniface, ary nanomboka nandray asa ny 04 aprily 2019 rehefa natolotra tamin'ny fomba ofisialy teo anatrehan’ny vahoaka.

Tampoka anefa dia tonga ny mpandraharaha matanjaka tao amin'ny tanàna niaraka tamin'ilay lehiben’ny Fokontany izay naato tamin'ny asany fa tsy maintsy averina amin'ny toerana ity farany ary efa nahazo fankatoavana avy tany amin'ny mpitondra, ka Atoa Beanjara Félix miverina amin'ny asany ny 10 aprily 2019.

Tsy nazava tamin'ny mponina tao amin'ny Fokontany Antsahorana Kaominina Ambohimalaza io zavatra io, ka mametra-panontaniana izy ireo hoe : nahoana no mpanambola no hibaiko amin'izay olona tianay hitondra ny Fokontaninay. Vokany dia nikatona ny biraon’ny Fokontany ary nentina niala tao ny kitapo misy ny fitaovana rehetra fa tsy misy miasa na ilay naverina na ilay vao napetraka, ka nangataka ny hidinan’ny lehiben’ny Distrikan’i Sambava ny mponina hanazava ny antony mba hialana amin'ny savorovoro.

Raha nitohizana ny fanadihadiana namantarana ny antony nahatonga ny vahoaka nanao fifidianana filoham-pokontany tampoka tamin'ny 13 martsa 2019 dia nitsotra i Beanjara Félix fa noho tsy nanaovany ny taratasy fanohanana, tsy nanaiky ny hivarotana tanim-pokonolona izay nokasain’ny Kaominina hamidy tamin'ny mpanambola, ka tsy nahafaly ireo nikasa hivarotra, no antony, ka niafara tamin'ny fanesorana azy tsy ho Sefo Fokontany Antsahorana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.