Faritra SAVA: Mirongatra ny fanolanan-jaza

  • jeudi, 18 avril 2019 11:53

Tovolahy kely iray izay voamarina fa avy nijery horonantsary mamoafady no nanafina zazavavy kely manodidina telo taona nanomboka tamin'ny 6ora 30 hariva ny talata teo tao amin'ny Fokontany Antognopahitra, Kaominina Bemanevika, ka afaka adiny roa vao hita ny zaza nahitana ratra.

Niditra hopitaly ilay zaza niharan’ny herisetra ary ahiana ho niharan’ny fanolanana fa mbola mandalo fitsaboana nampiakarina aty Sambava fa tsy voatazona tany ambanivohitra.

Mirongatra ny fanolanan-jaza taty SAVA tao anatin'ny volana roa izay. Teo ilay mpamianatra amin'ny sekoly tsy miankina nanolana zazavavy mpianany vao 12 taona, ilay ankizivavy 9 taona naolan’ny anadahin-dreniny tao amin'ny Kaominina Bemanevika, teo ihany koa ilay tovolahy manana kilema nanolana zaza efa-taona tao amin'ny Fokontany Antsirabe, Kaominina ambonivohitra Sambava.

Fa dia inona loatra no mahatonga izao fanolanana mirongatra aty SAVA izao ?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.