Vono olona: Nidoboka ao Ambalatavoahangy i Tsilavina sy Tantely

  • mercredi, 17 avril 2019 10:28
  • Sary nomena

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy - Toamasina ny alatsinainy 15 aprily tolakandro teo ireo tovolahy roa nikotrika ny vono olona sy ny namono nahafaty tamin'ny fomba feno habibiana ny vady aman-janaky ny mpampiasa azy tao Analakininina Hopitaly Be ny 18 mars 2019.

Kalo Honorette, 29 taona, ary nitondra vohoka, sy ny zanany lahikely, Kevin 04 taona no niharan’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana.

i Tantely no nikotrika ny famonoana, i Tsilavina kosa no nanatanteraka rehefa nentin-katezerana tamin’ny nandroahan’ny raim-pianakaviana mpampiasa azy. Nosamborin’ny Polisin’i Vatomandry tany ambanivohitry ny Distrika Antanambao Manampontsy i Tsilavina.

Natao tsy ankiteniteny ny fanaterana azy roalahy teny amin’ny Fitsarana noho ny hatezeran'ny olona sasany te-hanao fitsaram-bahoaka azy roa lahy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.