Ilaka-Est: Fananan’ny SECREN ilay “citerne” be, fefika teo morontsiraka

  • dimanche, 14 avril 2019 13:25
  • Sary: Nadia Bakoly

Mazava ny resaka ankehitriny fa fitaovan’ny SECREN Antsiranana ilay “citerne” fefika tao Ilaka-Est, Distrikan’i Vatomandry ny 9 aprily 2019, ka nampiahiahy ny mponina.

Mbola nisy nahatadidy ny mpiasa efa misotro ronono sy mbola amperin'asa raha nahita ny vaovao tamin’ny fahitalavi-panjakana. Raha ny fanazavan’izy ireo dia « chameau pour sauvetage » famonjena sambo dobo an-dranomasina ny asan'io, ka « miangavy izy ireo mba tsy ho simbaina fa ho tonga any ny tompon'andraikitra haka azy ».

Gaga ny olona nahita ity « citerne » be tsy fanta-pihaviana fefika teto amin’ny torapasika Ilaka-Est ity, tao ny nanao tazan-davitra, ao ireo efa miketrika hitetika ilay vy be hamidy amin'ny kilao sitrany ahay vola.

Betsaka ny fanontaniana toy ny hoe : sao mba nisy fako simika nariana antsokosoko taty amin’ny fari-dranomasitsika Malagasy ka hampidi-doza. Misinda izany ny ahiahy ankehitriny fa fitaovan’ny SECREN famonjena sambo dobo io “citerne” io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.