Tanambao Manampotsy: Voasambotry ny Polisy ilay tovolahy namono ny vady aman-janaky ny mpampiasa azy

  • samedi, 13 avril 2019 19:38
  • Sary: Polisim-pirenena

Polisin'i Vatomandr­y no nisambotra an'ity tovolahy, vao 20 taona ity ny alahady 07 aprily 2019 tany Ambohimiarina, Kaominina Manakana, Disitrikan’i Tanambao Manampotsy.

Nahavita namono nahafaty ny vady aman-janaky ny mpampiasa azy : vehivavy bevohoka sy zaza 04 taona tany Toamasina ny 19 martsa 2019 lasa teo izy, dia lasa nitsoaka.

Nisokatra ny fanadihadiana niainga avy amin’ny baikon’ny Fampanoavana ka fantatra fa lasa nitsoaka tany Vatomandry ity nahavanon-doza ity niaraka tamin’ny finday an-dratompokovavy.

Ny fanangonam-baovao rehetra sy ny fanampian’ny olona tsara sitrapo iray no nahalalana fa any Ambohimiarina, Kaominina Manakana, Disitrikan’i Tanambao Manampotsy, 168 km miala an'i Vatomandry no misy ny fianakavian’ity tovolahy ity.

Làlana 80 km no tongan'ny fiara fa ny 88km kosa tsy maintsy nandehanana an-tongotra. Nandritra ny 03 andro sy 02 alina no nanaovan'ny Polisy izany.

Tany Ambohimiarina, ny alahady 07 aprily 2019 tokony ho tamin’ny 07 ora maraina dia tratra tokoa tao amin’ny tokantrano iray voatondro ho nisy azy ity tovolahy mpamono olona ity.

Nalefa avy hatrany any Toamasina izy, taorian'ny fanamarinana, ho alaina am-bavany mialohan’ny hanolorana azy any amin’ny Fampanoavana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.