Sambava: Fiara namono olona tsy tra-drano, nefa nojerem-potsiny

  • jeudi, 14 mars 2019 12:48
  • Sary Gasypatriote Sambava

Manoloana io dia nampiaka-peo ny fianakavian’i Totozafy Vincent namoy ny ainy teo amin'ny faha-23 taonany, izay namela kamboty roa ka telovolana ny farany. Nanaitra ny fianakaviana fa tsy nogiazana “fourrière” ny fiara Sprinter nandona ka nafaty ity tovolahy ity.

Nangataka raharaham-pihavanana ka hiantoka ny lany rehetra tamin'ny fandevenana ny maty ny nahavanon-doza, hoy ny fianakavian’ny maty, ka nomena lalana izy ireo handeha hijery ny vola hanonerana ny lany mialohan’ny hitondrana ny razana any Antsirabe Nord, handevenana azy ampasan-drazana, kinanjo nandeha dia tsy niverina intsony izy ireo, ka tena gaga izahay manoloana izany fihetsika izany hoy ny fianakaviana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.