Antenimieram-pirenena: Namboly hazo ny vehivavy nanamarihana ny 8 martsa

  • vendredi, 08 mars 2019 19:25
  • Sary nomena

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny FVA (Fikambanan’ny Vehivavy ny Antenimieram-pirenena) ny zoma 8 marsa. Nomarihina tamin’ny fambolen-kazo fihinam-boa sy voninkazo izany teo amin’ny zaridaina maitso ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, izany tamin’ity taona ity. 100 fototra no voavoly.

Nanotrona ny hetsika ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimieram-pirenena, Ratsimba Andrianaivo Mamy, izay niloso tena ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

Misy ampahany amin’ny FVA izay tarihin’ny Rtoa Masindrazana Marie Louise no nankalaza ny 8 marsa any Mahajanga. Mahajanga izay ankalazana amin’ny fomba ofisialy ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny lohahevitra “Zo sy anjara andraikitry ny vehivavy amin’ny fampandrosoana”.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.