Gilet Jaune: Voatsongo sofina i Lafrantsa

  • mercredi, 06 mars 2019 20:09
  • Sary nindramina

Nisintona lakolosy amin'ny fampiasan-kery tsy manaja ny zon'olombelona ataon'ny Lafrantsa, ny Kaomisera avo momba ny zon'olombelona eo anivon'ny Firenena Mikambana. Takian'i Michelle Bachelet, Kaomisera avo nandritra ny fivoriam-be tany Geneve, ny fanokafan'ny Lafrantsa fanadihadiana momba ireo fampiasan-kery ataon'ny polisy amin'ireo mpanao fitokonana Gilet Jaune, ary hisian'ny fifanantonana sy fifampiresahana.

Ity hetsiky ny Gilet Jaune ity moa dia nanomboka tamin'ny fitakiana ny fidinan'ny vidi-tsolika, ary nihitatra amin'ny fitakiana ny resaka vidim-piainana, eny nisy mihitsy aza ny nitaky ny fialan'i Filoha frantsay Emmanuel Macron.

Matetika, ankoatran'ireo hetsika isan'andro any amin'ny tanàna maro manerana ny Frantsa, dia misy hetsika lehibe hitambarana ao Paris isaky ny sabotsy, ka dia miafara hatrany amin'ny fampiasan-kery, sy ny grenady mandatsa-dranomaso. Misy rahateo moa ny fidiran'ireo mahery fihetsika ka manimba sy mandoro zavatra, fiara, fivarotana, ka dia mamaly sy manaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehina amin-kery ny mpitandro ny filaminana.

12 122 tifitra tamin'ilay LBD, izay misy bala fingotra, 1 428 grenady lakirimozenina, ary 4 942 grenady fanaparitahana no nirefotra raha ny fanisana navoakan'ny ministeran'ny ati-tany frantsay ny 4 febroary teo.

Efa hiditra ny herinandro faha 17 izao ity hetsika ity ny sabotsy izao, fa tsy mety lefy, na dia nanolotra vahaolana maro aza ny fitondrana frantsay.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.