Sambava: Nikatona ny vavahadin’ny hopitaly SALFA, nitokona ny mpiasa

  • lundi, 04 mars 2019 14:23
  • Sary Gasypatriote Sambava

Akory ny hatairana raha nahita fa nitokona ny mpiasan'ny fahasalam-bahoaka ao amin'ity hopitaly tsy miankina ity.

Raha ny hita tamin'ny 10 ora maraina dia mbola tao anatin'ny dinika mihidy aman-trano ny mpiasa sy ireo tompon'andraikitra, izay hijerena ny vahaolana mety ho azo aroso amin'ity zavatra tsy eken’ny mpiasan’ny SALFA ity.

Andrasana izay mety ho marimaritra iraisana amin'ny fihaonana mba hiravonan’izao fitokonana izao fa lasa misy fiantraikany amin'ireo marary tonga eny mitaky ny zony hotsaboina.

Harahintsika aikaiky ny tohiny...

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.