Fanafihana RN7: Lasan'ny jiolahy ny vola sy findain'ny mpandeha tao anaty Sprinter

  • lundi, 04 mars 2019 14:19

Fiara Sprinter avy any Toliara hiakatra any Antananarivo no voatafika tamin'ny lalam-pirenena faha-7 ny sabotsy 2 martsa teo, tokony ho tamin'ny 2 ora sy fahefany maraina.

Jiolay niisa 8 no nanakana tamin'ny hazo kesika notapahina teo antsisin-dalana nampijanonana ny fiara, 2 km eo ho eo tsy hiditra an'Andranomanelatra-Antsirabe. Novakian'izy ireo ny fitaratry ny fiara.

Ny vola sy ny finday tany amin'ireo mpandeha no nalain'ireo mpanakan-dalana. Tsy nisy naratra aloha ny mpandeha.

Efa manao fikarohana ireo jiolahy ny Zandary.

Heverina fa olona tsy lavitra ny Fokontany Bemololo Andranomanelatra no nahavanon-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.