Venezuela: Mandrahona an'i Amerika ny Rosianina sy ny Sinoa

  • dimanche, 03 mars 2019 15:09
  • Sary nindramina

Donald Trump, filoha amerikanina dia nilaza fa efa eo ambony latabatra ny mety anafihana an'i Venezuela, anesorana ny filoha voafidim-bahoaka, fa tsy eken'ireo tandrefana, fa i Juan Guaido, filohan'ny mpanohitra no eken'izy ireo ho filoha vonjimaika. Nangataka ny Firenena mikambana ny Amerikanina ny ahafahana miditra ara-tafika any an-toerana mba ampidirana ireo fanampiana ara-tsakafo omen'ny Amerikanina

Nandrahona izany hevitra fanafihana ara-tafika izany ny Rosianina sy ny Sinoa, ary nandefa fitaovam-piadiana mahery vaika any Venezuela, niditra an-tsehatra hanampy ihany koa ny Iranianina.
Tamin'ny faran'ny taona 2018 moa dia efa nandefa fiara-manidina nokleary any an-toerana ny Rosianina.

Firenena tandrefana 30 mahery moa izao no manohana an'i Juan Guaido, raha mbola mandresy lahatra ny Colombie akaiky eo izy amin'izao. I Maduro kosa dia tohanan'ny miaramila ao aminy ary mety hisambotra an'i Juan Guaido rehefa miverina izy.

Noroahin'i Maduro hody ny Masoivoho amerikanina, fa namaly bontana ny Amerikanina fa tsy hiala ao Venezuela.

Ity firenena ity moa no isany manana tahiri-tsolika betsaka indrindra maneran-tany izao, 1 360 milliards barils, na somary lafo noho ny any Arabie Saoudite aza.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.