Manakara: Tra-tehaka ny mpangalatra soliky ny JIRAMA

  • samedi, 02 mars 2019 11:47
  • Sary : Jirama

Kamiao tokony hanatitra solika ho an'ny JIRAMA any Vangaindrano sy Vohipeno no nisy nanodina tao Antanakidy - Manakara, nitrohana solika.

Tratra ambodiomby ireo mpitsikombakomba amin'izao halatra izao rehefa nahazo fampandrenesana ny Zandary sy ny sefo sekteran'ny Jirama Manakara.

Barika kely miisa dimy efa feno, miampy siny plastika roa no tratra. Miavaka amin'ny loko mena ny solika an'ny JIRAMA, koa tsy afa-niala ireo mpangalatra.

Tapaka efa hatramin'ny omaly maraina zoma 01 marsa ny jiro any Vangaindrano sy Vohipeno, ary ny solika tokony ho 7000 litatra nentin'ity kamiao ity no nandrasana handefasana ny gropy tamin'ireo tanàna roa ireo.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.