Tsaratanana: Taorian’ny oktobra 2017 no nampirongatra ny « kidnapping »

  • vendredi, 01 mars 2019 18:36
  • Sary nomena

Ireo mpivarotra, indrindra fa ireo mpitana BAR no tena lasibatra. Anisany ilay Chef ZAP Tsaratanàna II sy ireo vehivavy nisy naka an-keriny tamin’ity taona ity.

Mitaraina ireo efa lasibatry ny mpaka ankeriny fa aloa ny vola be ho fandraisana anjara amin’ny fanohanana ireo mpitandro ny filaminana hiaro ny olona sy ny fananany, nefa mbola voaroba sy lasa takalonaina ary koa maratra.

Santionany amin’ny vola aloa efa aman’aliny, hoy hatrany ireo lasibatra, ny hofantrano, tambin-karama, karaman’ny mpahandro, fotsimbary roa gony isam-bolana,… nefa ny eo ihany no eo.

Tonga taty Tsaratanana ny praiminisitra Ntsay Christian ny talata 26 febroary teo, nanome toromarika ary koa nampitandrina ireo mpiasam-panjakana tsy manatanteraka ny andraikiny, koa antenaina fa hisy vokany izany hamerenana indray ny fitokisan’ny mponina ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana, satria mampandry tsy lavo loha ary mampiraviravy tanana raha ny zava-misy aty.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.