Vontovorona: Mitaky ny hamotsorana ireo mpianatra efa-dahy nosamborin’ny Emmo-Reg

  • jeudi, 28 février 2019 15:15

Nanao fanambarana teny Ankatso ny mpianatry ny Polyteknika Vontovorona androany, mitaky ny hamotsorana azy efa-dahy naman’izy ireo nosamborin’ny Emmo-Reg.

Tamin’ny Talata no voasambotra ny telo, ary raha tonga hanatitra sakafo ho azy ireo teny Betongolo ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra dia notazonina avy hatrany ihany koa. Hatolotra ny Fampanoavana anio izy ireo.

Mila vahaolana mazava manoloana ny fitakiany koa izy ireo, fa tsy arirarira lava, indrindra ny trano izay tsy mahazaka ny hamaroan’ny mpianatra eny an-toerana fa 1000 no zakan’ny fotodrafitrasa misy nefa efa 3000 ny mpianatra eny.

Mitaky ny hampitsaharana ny hery famoretana atao amin’izy ireo ihany koa ny mpianatr’i Vontovorona.

Ny zava-misy dia nisy grevy teny Vontovorona nanomboka ny alatsinainy 25 febroary teo, nitakiana fanamboarana ny Campus ary koa ny handoavana ny andiany faharoa amin’ny vatsim-pianarana.

Nivoatra izany ny talata ka niampy fampidinana « frais » ny fitakiana, teo ihany koa ny fampitaovana amin'ny aterineto... ary ny androany manokana dia niampy ny fangatahana ny famotsorana madiodio ireo mpianatra nosamborin’ny mpitandro ny filaminana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.