Ambanja: Nidoboka am-ponja ireo nanafika teratany sinoa

  • mercredi, 27 février 2019 14:18
  • Sary nomena

Nidoboka am-ponja vonjy maika avokoa omaly rehefa natolotra ny Fitsarana ireo olona 6 izay voarohirohy tamin'ny fanafihana mitam-basy ilay teratany sinoa tao Ambanja ny alin'ny 19 febroary 2019 teo.

Ny ampitson'io ihany dia efa nisy voasambotra ireo olon-dratsy, izay mbola nahatratrarana lelavola 32 tapitrisa Ariary tao anaty kitapony raha iny avy naka ny anjara volany tany Ambilobe ka hody tao Ambanja niaraka tamin'ny moto.

Nentina tany amin'ny Commissariat nanaovana famotorana izy dia niaiky fa anisany nandray anjara tao anatin'io fanafihana io, niara-dia tamina rangahy iray izay efa avy nanao service militaire tany Sambava, izay namatsy fitaovam-piadiana azy ireo.

Nitsoaka ity farany fa ireo tompon-trano nitobian'izy ireo tao Ambilobe izay ahiana ho mpiray tsikombakomba tamin'izao fanafihana izao dia voasambotra avokoa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.