Toamasina I: Namaky lay ny fandrotsahana dosie hofidiana depiote i Alain Mahavimbina

  • mardi, 26 février 2019 21:25
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Nisokatra androany 26 febroary tamin'ny 9ora maraina eny amin'ny OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement de Candidature) manerana ny Nosy ny fandraisana ny antotan-taratasin'ireo hirotsaka hofidiana depiote, ary hikanona amin'ny 12 martsa amin'ny 5ora hariva.

Nisantatra ny fametrahana dosie tao amin'ny OVEC Toamasina I androany atoandro, hirotsaka hofidiana ho depioten'i Toamasina I i Alain Mahavimbina.

Amin'ny anaran'ny GAR (Gasikaraka Antsika Rehetra), antoko tarihiny izy.

Lehiben'ny Faritra Atsinanana tamin'ny tetezamita i Alain Mahavimbina. Isan'ireo kandida filoham-pirenena miisa folo tsy nahafeno fepetra ka nailiky ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana izy tamin'ny 2018.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.