Marokoro-Maevatanàna: Avotra teo ampelan-tanan’ireo mpaka an-keriny ilay tovovavy

  • vendredi, 22 février 2019 07:41

Alina no avotra ilay tovovavy iray, 18 taona, taorian’ny hazalambo nataon’ny mpitandro ny filaminana ireo mpaka an-keriny mampihorohoro iny faritra Betsiboka iny.

Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 14 febroary no nitranga ny fanafihana tao Marokoro, Kaominina farany atsinanana amin’ny Distrikan’i Maevatanàna, mifanila amin’ny Distrika Ambatondrazaka.

Tokantranona Betsileo avy any Sandrandahy, Distrikan’i Fandriana, mpivarotra ao an-toerana no lasibatra tamin’io. Tsy tao an-toerana, fa niakatra ao Maevatanàna hamonjy lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao an’ny Betsileo anefa ny lehibe fa ity tovovavy taizan’izy ireo ity no sendra ireo olon-dratsy, ka izy no nataon’izy ireo takalonaina izao.

Vao nahazo fampilazana ny Zandary avy amin’ny Kaompania Maevatanàna sy ny Vondrotobim-pileovana Betsiboka dia nandefa ny miaramilany hanavotra ity takalonaina ity, eo ampelan-tanan’ireo olondratsy. Nanome fiara hitaterana azy ireo ny Depiote teo aloha Zôry Kely. Dia izao nahazoam-bokatra izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.