Zandary Vakinankaratra: Tsiaro an'i Jeneraly Richard Ratsimandrava

  • lundi, 11 février 2019 22:23
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Lanonana tsotra fa nanana ny lanjany no nentin'ny Vondrontobim-pileovan'ny Zandarimaria Vakinankaratra nahatsiarovana ny faha-44 taona namonoan'ny sasany ny Jeneraly Ratsimandrava Richard, androany alatsinainy 11 febroary 2019.

Ny Komandin'ny Vondrotobim-pileovana, ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick no nitarika ny lanonana tamin'izany, notronin'ireo Zandary nanodidina.

Fantatra nandritra ny fanazavany fa tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana fotsiny ny fankalazana fa famohazana ihany koa ny hambo-pon'ireo Zandary am-perinasa, satria dia niara-notsarovana tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo Zandary maty teo am-panaovana ny asany, izay nisy 5 no niharan'izay fahalavoana am-perinasa izay tato Vakinankaratra.

Nisy ny fandraisana an-tanana ireo vady aman-janak'ireo Zandary lavo am-perinasa noho ny fanolorany ny ainy ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, satria nisy tamin'izy ireo no lavon'ny balan'ny dahalo, ny tratry ny fikomiam-bahoaka ary ny lozam-pifamoivoizana tany ampanaovana iraka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.