CENI: Nahavita trano hiasan’ireo rantsamangaikany aty Ambatondrazaka

  • lundi, 04 février 2019 16:05
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Tonga nitokana azy taty an-toerana ny sabotsy 02 febroary teo ny mpikambana maro eo anivon'ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), notarihan-dRakotomanana Yves Herinirina, filohany.

Trano lehibe ahitana efitra enina ity, ho fiasanan’ireo rantsamangaikan’ny CENI dia ny Commission électorale de district (CED) sy ny Commission Electorale Régionale (CER) ary ny Centre Informatique Régional (CIR).

Mitentimbidy 200 tapitrisa Ariary ny foto-drafitrasa, izay io no voalohany vitan’ny CENI hatramin’izay nijoroany izay.

Niantso ny mponin’Alaotra mba ho fitaratra amin'ny faharisihana amin'ny fanoratana ny anarana ao amin'ny lisi-pifidianana ny filohan’ny CENI nandritra ny fandraisam-pitenenany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.