Antsampanimahazo-Tombontsoa: Taolana sisa navelan'ny jiolahy tamin'ny omby very

  • mardi, 29 janvier 2019 18:31
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Toy ny mahazatra dia mifoha maraina misafo ny omby ao an-tokontany ny tompony ka gaga fa tsy tao ny ombin-tsarety iray lehibe inndrindra. Noheverina fa tapa-tady ilay omby ka nojerijerena teo amin'ny manodidina ihany.

Rehefa nazava ny andro dia tapa-kevitra fa nampandre ny Fokonolona ihany ka natao ny fitadiavana sy fanarahan-dia. Afa-nenina ny rehetra fa tena lasan'ny mpangalatra ilay omby ka nody.

Nony tonga tany an-tanana dia nisy nahita teo avaratry ny sekoly Tombontsoa Antsirabe II ny fatin'omby iray efa nesorina avokoa ny nofony ka nampandre ireo olona fa sao io ilay omby.

Rehefa nohamarinina dia ilay omby very tokoa ilay izy ary dia niantsoana ny mpitandro filaminana tao Andranomanelatra izany.

Matetim-pitranga ao amin'ny Kaominina Ambano, Distrika Antsirabe II ity halatr'omby rainizavona ity ka angatahan'ny mponina ny hamerenana ilay sakana fanaon'ny Zandary teo Tombontsoa fahiny mba hanamafy ny fandriampahalemana.

Ity sakana ity moa dia nofoanana taorian'ilay fitifirana olona nataon'ny Zandary iray tamina fiara Sprinter iray ka nahafatesana olona tamin'izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.