Helikôptera nianjera tany Tsaratanana: Horaisin’ny fitondrana an-tanana tanteraka ny fitsaboana ireo niharan-doza

  • mardi, 29 janvier 2019 09:11
  • Sary primatiora

Tonga teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, omaly hariva, nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika, nitsidika sy nampahery ary nirary fahasitranana haingana ho an’ireo niharan-doza, vokatry ny fianjeran’ny angidim-by nitondra tompon’andraikitry ny Faritra sy Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Faritra Betsiboka, ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Nanambara ity farany fa araka ny fandinihina nataon’ny mpitsabo dia tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Nomarihiny koa fa horaisin’ny fitondrana an-tanana tanteraka ny fitsaboana.

Mikasika ny iraka nampanaovina ireo Zandary ireo dia nanazava ny Praiminisitra fa tafiditra ao anatin’ny famerenana ny fandriampahalemana, indrindra fa eo amin’ny lafiny ady atao amin’ny fakàna an-keriny.

Omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no nitranga ny loza, tao Anadabo, Kaominina Ambanivohitr’i Isinko, eo anelanelan’i Tsaratanàna sy Andriamena. Dimy izy ireo no tao anatin’ny angidim-by dia ny Lehiben'ny Faritra Betsiboka, ny Komandin'ny vondrotobim-paritry ny Zandarimaria Betsiboka, ny Komandin'ny kaompanian’ny Zandarimaria Tsaratanàna, ary ny mpanamory roalahy avy ao amin'ny BANI (Base Aéronavale Ivato).

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.