BANI Ivato: Nisy nanaparitaka teny an-kianja filalaovana basikety ny Komonio sy Kalisy tao amin'ny Chapelle Militaire

  • mardi, 22 janvier 2019 20:38

Vaky trano sa famingavingana finoana Kristianina, hatairana sy alahelo ny an'ny mpino Katolika mpivavaka ao amin'ny Chapelle Militaire raha nahita ireo fitaovana tao anaty Tabernakla niparitaka teo ambony kianja filalaovana basikety ao amin'ny Base Aéro-Navale Ivato-Antananarivo (BANI) ny marainan'ny alatsinainy 21 Janoary 2019.

Mifandimby mampiasa ny Chapelle Militaire ao amin'ny BANI, ny Protestanta ny maraindraina, anjaran'ny Katolika kosa ny atoandro.

Toerana saro-pady ny Toby miaramila ary tena hentitra ny fiarovana sy fidiran'ny olontsotra ny Faritra. Eo no mipetraka ny fanontanian'ny olona ny anton'izao fanaparitahan'ny fitaovan'ny Katolika tao amin'ny Chapelle izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.