Morondava: Nikatso ny nomeraon’ny findainy, ritra tao avokoa avy eo ny vola tao amin’ny kaontiny

  • mardi, 22 janvier 2019 15:42
  • Sary Gasypatriote Morondava

Olom-panjakana iray miasa ao an-drenivohitr’i Menabe no niharan’ity tranga ity rehefa nikatso tsy mandray antso sy tsy afaka anaovana antso ny findainy.

Tonga tany amin’ny « Shop » misy masoivohon’ilay orinasa lehibe misehatra amin’itony tambazotran-tserasera itony, ilay manampahefana nanao fitarainana rehefa « bloqué » ny nomeraon’ny findainy. Vahaolana naroson’ny tao ny hoe : manao « récupération » ka nomena « puce » vaovao.

Niverina tokoa ny nomeraon’ny findain’ilay manampahefana, saingy tsy nivy vola intsony tao anatiny amin’itony « mobile banking » itony.

Nametraka fitoriana izy. Nosokafana ny fanadihadiana. Vehivavy iray, miasa any amin’ny foiben’ilay orinasa lehibe misehatra amin’itony tambazotran-tserasera itony no voasambotra ary nentina aty Morondava, natolotra ny Fampanoavana androany.

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana dia tsy miasa irery fa miisa efatra ireto mpiasa ireto no mitsikombakomba maka ny volan’ny mpanjifan’ny orinasa iasany amin’itony « mobile banking » itony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.